Fanjakan' i Boina

Sainan' ny Fanjakan' i Boina

Ny Fanjakan' i Boina na Fanjakan' Iboina (antsoina hoe Iboina) dia fanjakana malagasy niorina teto Madagasikara tamin' ny taona 1690 tany ho any ary nampidirina tamin' ny Fanjakana Merina tamin' ny taona 1840. Tany amin' ny faritry ny Helodranon' i Boina any avaratra-andrefan' i Madagasikara no nisy azy io. I Mahajanga no tanàn-dehibe tao aminy. Iray amin' ireo fanjakana roa lehibe teo amin' ny Sakalava izy io, ka ny faharoa dia ny Fanjakan' i Menabe.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search